Context of Sodàna

I Sodàna na Repoblikan' i Sodàna dia firenena ao Afrika Atsinanana, izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Mena avy ao avaratra-atsinanana izy sady mamakivaky azy avy any avaratra mianatsimo ny lohasaha sy ny onin' i Nily. Manana velaran-tany mirefy 1 886 068 km² i Sodàna. I Khartoum no renivohiny. Mamaritra azy avy ao avaratra i Ejipta, ao atsinanana i Eritrea, ao atsimo i Kenia sy i Oganda ary ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ary ao andrefana ny Repoblikan' i Afrika Afovoany sy i Tsady ary i Libia.

Firenena anjakan' ny tany efitra i Sodàna, ka zava-dehibe indrindra aminy ny rano: ny ony Nily no mahalonaka an' ireo lohasaha maro. Ny ampahany be amin' ny tanin' i Sodàna doa tondrahan' ny onin' i Nily. Ao avaratra, andaniny sy ankilan' i Nily, dia ahitana ny tany efitr' i Libia (ilany andrefana), izay zarazarain' ny lembalemba maro, sy ny tany efitr' i Nobia (ilany atsinanana), izay fefen' ny tandavan-tendrombohitra amin' ny morontsiraka ao amin' ny R...Tohiny

I Sodàna na Repoblikan' i Sodàna dia firenena ao Afrika Atsinanana, izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Mena avy ao avaratra-atsinanana izy sady mamakivaky azy avy any avaratra mianatsimo ny lohasaha sy ny onin' i Nily. Manana velaran-tany mirefy 1 886 068 km² i Sodàna. I Khartoum no renivohiny. Mamaritra azy avy ao avaratra i Ejipta, ao atsinanana i Eritrea, ao atsimo i Kenia sy i Oganda ary ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ary ao andrefana ny Repoblikan' i Afrika Afovoany sy i Tsady ary i Libia.

Firenena anjakan' ny tany efitra i Sodàna, ka zava-dehibe indrindra aminy ny rano: ny ony Nily no mahalonaka an' ireo lohasaha maro. Ny ampahany be amin' ny tanin' i Sodàna doa tondrahan' ny onin' i Nily. Ao avaratra, andaniny sy ankilan' i Nily, dia ahitana ny tany efitr' i Libia (ilany andrefana), izay zarazarain' ny lembalemba maro, sy ny tany efitr' i Nobia (ilany atsinanana), izay fefen' ny tandavan-tendrombohitra amin' ny morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Mena. Ao afovoan-tany no ahitana an' i Sahely izay vakivakin' i Nily Fotsy sy i Nily Manga ary i Atbara. Ao andrefana no ahitana an' i Darfour, izay faritra be tendrombohitra sy ahitana lembalemba karankaina. Miovaova arakaraka ny faritra ny toetany ao Sodàna: toetany karankaina an-tany efitra ny ao avaratra, toetanin-jana-pehin-tany ny ao afovoany ary toetanim-pehiben-tany be orana ny atsimo.

Mizara ho vondrona lehibe roa lehibe ny vahoaka sodaney, dia ireo vahoaka manaraka ny finoana silamo (75 %) izay monina ao avaratra sy ao afovoan-tany, sy ireo vahoaka kristiana sy mpanaraka ny fivavahan-drazana afrikana ao atsimo.

Miompana amin' ny fambolena ny toekaren’ i Sodàna. Izy no firenena voalohany mpamokatra ny gôma arabo izay ampiasaina amin' ny fitehirizana voankazo mamy nahandroina na amin' ny fanamboarana ranomanitra. Simban' ny ady an-trano anefa izany toekarena izany nanomboka amin' ny nafazoany ny fahaleovan-tena tamin' ny taona 1956. Ny fiteny arabo no fiteny ôfisialin' i Sodàna.

Where can you sleep near Sodàna ?

Booking.com

Destinations close to Sodàna ?

444.663 visits in total, 9.074 Points of interest, 403 Destinations, 78 visits today.