المغرب

Marôka

Context of Marôka

I Marôka na Fanjakan' i Marôka (amin' ny fiteny arabo: المملكة المغربية) dia firenena any amin' ny tapany andrefana ao Afrika Avaratra, ao amin' ny vondron' i Magreba, izay manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasimbe Atlantika, manana velaran-tany mirefy 453 730 km². Ny renivohiny dia i Rabat.

Voafaritry ny Ranomasimbe Atlantika i Marôka any andrefana, ny Ranomasina Mediteranea any avaratra-atsinanana ary voafaritry ny andilan' i Gibraltar any avaratra. I Marôka dia mizara sisintany amin' i Aljeria, amin' i Sahara Andrefana any atsimo, amin' i Maoritania any atsimo-atsinanana raha tsy raharahaina i Sahara Andrefana. Ahitana tany lemaka midadasika sy tendrombohitra avo ny tanin’ i Marôka. Ao no misy ny tendrombohitra avo indrindra any Afrika Avaratra, ka isan’ izany i Haut-Atlas izay manana haavo 4 165 m ao amin’ ny djebel Toubkal.

Maro mifindra monina any ivelan’ ny taniny ny Marôkana, ka ny maro amin’ izany dia any Frantsa sy any Italia ary any Belzika...Tohiny

I Marôka na Fanjakan' i Marôka (amin' ny fiteny arabo: المملكة المغربية) dia firenena any amin' ny tapany andrefana ao Afrika Avaratra, ao amin' ny vondron' i Magreba, izay manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasimbe Atlantika, manana velaran-tany mirefy 453 730 km². Ny renivohiny dia i Rabat.

Voafaritry ny Ranomasimbe Atlantika i Marôka any andrefana, ny Ranomasina Mediteranea any avaratra-atsinanana ary voafaritry ny andilan' i Gibraltar any avaratra. I Marôka dia mizara sisintany amin' i Aljeria, amin' i Sahara Andrefana any atsimo, amin' i Maoritania any atsimo-atsinanana raha tsy raharahaina i Sahara Andrefana. Ahitana tany lemaka midadasika sy tendrombohitra avo ny tanin’ i Marôka. Ao no misy ny tendrombohitra avo indrindra any Afrika Avaratra, ka isan’ izany i Haut-Atlas izay manana haavo 4 165 m ao amin’ ny djebel Toubkal.

Maro mifindra monina any ivelan’ ny taniny ny Marôkana, ka ny maro amin’ izany dia any Frantsa sy any Italia ary any Belzika. Ny fiteny arabo no fiteny ôfisialin’ i Marôka.

Nifandimby nanjakazaka tao Marôka i Espaina sy i Frantsa ary ny Fanjakana Mitambatra (ny Britanika) nanomboka tamin’ ny taona 1860. I Frantsa no nanjanaka azy farany nanomboka tamin’ ny taona 1912 mandra-pahazoany ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1956.

I Marôka dia fanjakana ara-dalampanorenana, ny mpanjakan' i Marôka ankehitriny dia i Mohammed VI, anisan' ny fanjakana antitra indrindra eto an-tany ny fanjakan' i Marôka. Mpikambana ao amin' ny vondron' i Magreba arabo, ny Francophonie ary Organisation de la Conférence Islamique i Marôka. Tsy mpikambana ao amin' ny Vondrona Afrikana i Marôka, fa te-hanamafy ny fifandraisany amin' ny Vondrona Eorôpeana. Tamin' ny 1987, nanandrana niditra tao amin' ny CEE i Marôka, fa tsy tafiditra; nahazo "statut avancé" i Marôka tamin' ny Vondrona Eorôpeana. Tamin' ny 15 Mey 2009, niditra tamin' ny Centre Nord-Sud du Conseil de l'Europe i Marôka.

More about Marôka

Currency:
Calling code:
+212
Internet domain:
.ma
Driving side:
right
Population:
36.029.138
Area:
710.850
km2

Phrasebook

Salama
مرحبًا
izao tontolo izao
العالمية
Hello World
مرحبا بالعالم
Misaotra anao
شكرًا لك
Veloma
مع السلامة
ENY
نعم
tsy misy
رقم
Manao ahoana ianao?
كيف حالك؟
Tsara fa misaotra
بخير، شكرا لك
Ohatrinona ity?
كم سعره؟
Aotra
صفر
Iray
واحد

Where can you sleep near Marôka ?

Booking.com
4 visits today, 309 Destinations, 6.278 Points of interest, 206.706 visits in total.